MIMOZA

MIMOZA
Tiako hafindra aminao
Ny fitiavako mimoza
Kanefa raha tsy tianao
Dia avereno ho ahy
Ny fitiavako mimoza

Misy toerana mafana
Tsy mba mamanala
Ao anatiko ao
Toerana kelikely, afaka hitahiry
Ny fitiavanao mimoza
Manimanitra daholo, izay lalovanao
Misy fofom-boninkazo
Vononkazo mimoza

Andao fa ho entiko ianao
Faly aho raha hitanao
Ilay saha mimoza
Izay toerana falehako
Efa nanamboarako
Trano kely mimoza

Ny andro efa hariva
Tsy mba fantantsika
Ao anaty tranokelinao
Ny afo manazava
Dia hanome hafanana
Hafanana mimoza

Ny haizina mangina
Efa manery antsika
Handao ity tranokely
Tranokely mimoza

Raha sendra lasa izaho
Raha sendra tsy eo izaho
Dia izao no zavatra hataonao ahy
Mandehana any an-tsaha
Ary mangala voninkazo mimoza

>> Mimoza

# Enviado el martes 22 de mayo de 2007 09:19

Modificado el jueves 27 de diciembre de 2007 13:31

Namana serasera

Namana serasera
Fihaonana Aout 06 a Rome: inona aza ny hira nirainay t@io o?
ozizy hery izay we ny masoandro maty no nampalahelo

# Enviado el martes 22 de mayo de 2007 09:44

Aimer a perdre la raison



Paroles: Aimer à perdre la raison Aimer à n'en savoir que dire A n'avoir que toi d'horizon Et ne connaître de saisons Que Paroles:
Aimer à perdre la raison
Aimer à n'en savoir que dire
A n'avoir que toi d'horizon
Et ne connaître de saisons
Que par la douleur du partir
Aimer à perdre la raison

Ah c'est toujours toi que l'on blesse
C'est toujours ton miroir brisé
Mon pauvre bonheur, ma faiblesse
Toi qu'on insulte et qu'on délaisse
Dans toute chair martyrisée

Aimer à perdre la raison
Aimer à n'en savoir que dire
A n'avoir que toi d'horizon
Et ne connaître de saisons
Que par la douleur du partir
Aimer à perdre la raison

La faim, la fatigue et le froid
Toutes les misères du monde
C'est par mon amour que j'y crois
En elle je porte ma croix
Et de leurs nuits ma nuit se fonde

Aimer à perdre la raison
Aimer à n'en savoir que dire
A n'avoir que toi d'horizon
Et ne connaître de saisons
Que par la douleur du partir
Aimer à perdre la raison


# Enviado el miércoles 23 de mayo de 2007 04:20

Modificado el miércoles 24 de junio de 2009 10:02

LAY TIA ANAO

Tsy mendrika anao mantsy
Ireny nafoiko ho anao
Eny tsy ampy foana angamba
Ireny rehetra ireny
Na niharitra ny mafy eny aho
Tsy mba nilaozanao
Fa ianao nitsiky
Nizara toky ho ahy

Dia nambaranao
‘Lay teny manamafy hoe :
‘Lay tia anao
Te-ho anao mandra-maty
Teo no nahatsapako
Eny mbola tsy voafafa ilay fitia
Izay mba tato an-tsaiko
Raha nolazaiko anao dia
Mba te-hanaiky, tsy mendrika anao anefa
Ho anao foana, ho anao foana ho doria

Nekenao fa ny antsika
Ny fo no nampiray, hatreo izay nampanahy anao
Aleo izay sarotra, efa resy izay androany
Ka ny androko rehetra, afoiko ho anao
Ho anao tsy misy fetra
Raiso ho anao na dia kely aza afoy
Ho anao irery ny atao am-po

Hatrizao no nahatsapako fa
Nandresy ny andro mafy aho
Satria teo foana ianao
Dia isaorako anao foana ireny

# Enviado el domingo 27 de mayo de 2007 06:33

Modificado el jueves 12 de febrero de 2009 05:50

IZAHO ANIE RAVORONA

Izaho anie Ravorona ô
Te-hiaraka aminao
Hikopakopak’elatra ô
Hihira sy hilalao
Raha tsy eo anilanao
Dia tonga manirery
Izaho anie ry vorona
Tomany toa jorery

Ny hirahiram-poko
Dia toy ny voninkazo
Angolangola ihany
Toa rano an-tanam-bazo
Kanefa anie ny foko
Nisento lavitra any
Ny ventsoventsom-pahoriako
Sao mba reny ihany
[ Añadir un comentario ] [ Ningún comentario ]

# Enviado el domingo 27 de mayo de 2007 06:41